<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>81</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tao an-tsahan'i Betlehema,
 'Reo mpiandry ny ondry re,
 No vangian'ny Serafima
 Sy anjely maro be.
 Voninahitra ho an'
 Andriamanitra,
 Ho an'Andriamanitra !
 Voninahitra ho an'
 Andriamanitra ,
 Amin'ny avo !

[V2]
 'Njany ny hiran'ny anjely,
 'Zay niredona tokoa
 Indro tonga Imanoely
 Zaza masina sy soa.
 Voninahitra, ..sns.

[V3]
 Nofo notafin'ny Teny,
 Lanitra nilaozany ;
 'Ndao isika izao hankany,
 Be tokoa ny lazany.
 Voninahitra, ..sns.

[V4]
 Voninahitra ao ambony
 Ho an'Andriamanitra,
 Ka ny hira no redony
 Solon-java-manitra.
 Voninahitra, ..sns.</lyrics>
<title>Tao an-tsahan'i Betlehema FFPM81</title>
</song>